Deuteronomy 8:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izay nitondra anao tany an-tany efitra lehibe sy mahatahotra, izay misy menarana mandoro sy maingoka, dia ny tany mangetana tsy misy rano; Izy koa no nampivoaka rano ho anao avy tamin’ny vatolampy vatoafo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay nitondra anao tany amin’ny efitra lehibe sy mahatahotra misy bibilava mivaivay sy maingoka, amin’ny fitoerana ngàzana sy tsy misy rano; izay nampiboiboika rano ho anao, avy amin’ny vatolampy mafy indrindra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy no nitondra anareo hitety taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay ahitana menarana misy poizina sy maingoka; kanefa izany tany mangentana tsy misy rano izany no nampiboiboihany rano ho anareo, avy tamin’ny vatolampy mafy indrindra.
Malagasy Bible 1865
Izay nitondra anao tany amin'ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran'afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin'ny vatolampy afovato,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Izay nitondra anao tany amin'ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran'afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin'ny vatolampy afovato,