Deuteronomy 8:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha toa ka manadino NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka manaraka izay andriamanitra hafa sady manompo azy no miankohoka eo anatrehany dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha manadino an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka tonga andriamani-kafa no harahinao sy hotompoinao ary eo anoloany ianao no hiankohoka, dia milaza marimarina aminareo aho izao, fa ho faty tokoa ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha hadinoinareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka andriamani-kafa no harahinareo sy hotompoinareo ary hiankohofanareo, dia milaza marimarina aminareo aho fa haringana mihitsy ianareo.
Malagasy Bible 1865
Fa raha manadino an'i Jehovah Andriamanitrao mihitsy ianao ka manaraka izay andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka eo anatrehany, dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha toa ka manadino NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka manaraka izay andriamanitra hafa sady manompo azy no miankohoka eo anatrehany dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo.
malagasy
Fa raha manadino an'i Jehovah Andriamanitrao mihitsy ianao ka manaraka izay andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka eo anatrehany, dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo:tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan'i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.