Deuteronomy 8:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran’NY TOMPO Andriamanitrao anao tany an-tany efitra izay efapolo taona izay, fa Izy no hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahafantatra izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsarovy ny lalàna rehetra izay nasain’i Iaveh Andriamanitrareo nandehananareo, tany an’efitra, nandritra ny efapolo taona izao, mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao, dia hahalalàna ny hevitrao ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo tatỳ an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin’izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia.
Malagasy Bible 1865
Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran’NY TOMPO Andriamanitrao anao tany an-tany efitra izay efapolo taona izay, fa Izy no hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahafantatra izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
malagasy