Deuteronomy 8:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny andringanana ny firenen-tsamihafa, izay aringan’NY TOMPO eo anoloanareo, no handringanana anareo satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tahaka ny firenena aringan’i Iaveh eo anoloanareo, dia ho ringana koa ianareo, satria tsy mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny handringanan’ny TOMPO ireo firenen-tsamy hafa eo anoloanareo no handringanana anareo koa, satria tsy nohenoinareo ny feon’ilay TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy Bible 1865
tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan'i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny andringanana ny firenen-tsamihafa, izay aringan’NY TOMPO eo anoloanareo, no handringanana anareo satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo.
malagasy
tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan'i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.