Deuteronomy 8:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, ary nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, mba hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ny olona fa izay rehetra aloaky ny vavan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampietry tena anao Izy sy namela anao ho noana, ary namahana anao tamin’ny mana, izay tsy fantatrao, na fantatry ny razanao, mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay rehetra mivoaka ny vavan’Andriamanitra no iveloman’ny olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nampanetry tena sy namela anareo ho noana Izy, dia namahana anareo tamin’ny mana izay hanina tsy fantatrareo na ny razanareo; tiany hampahalalaina anareo manko fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay teny rehetra aloaky ny vavan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, ary nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, mba hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ny olona fa izay rehetra aloaky ny vavan’NY TOMPO.
malagasy