Deuteronomy 8:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa NY TOMPO Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina, eny an-dohasaha sy any an-tendrombohitra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Fa efa hampidirin’i Iaveh Andriamanitrao, any amin’ny tany soa ianao, dia tany misy ranon-driaka aman-doharano, sy rano lalina miboiboika avy amin’ny lohasaha aman-tendrombohitra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tany soa no efa hampidiran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo: dia tany misy renirano sy loharano ary rano mitoby anaty tany ka miboiboika eny amin’ny lemaka na eny an-tendrombohitra;
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa NY TOMPO Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina, eny an-dohasaha sy any an-tendrombohitra;
malagasy
Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,