Deuteronomy 9:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihainoa, ry Israely: Ianao izao dia efa handeha hita an’i Jordana ka hiditra eo amin’ny tany sady handresy firenen-tsamihafa izay lehibe sy mahery noho ianao, ary hahazo tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihainoa, ry Israely. Ndeha hita an’i Jordany ianao izao, ary handroso haka firenena lehibe sy mahery noho ianao, tanàna lehibe misy manda manakatra ny lanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihainoa, ry vahoaka Israely ô! Efa hiampita an’i Jôrdàna ianareo izao, ary hiroso handroaka firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianareo, sady hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra.
Malagasy Bible 1865
MIHAINOA, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an'i Jordana hiditra eo amin'ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihainoa, ry Israely: Ianao izao dia efa handeha hita an’i Jordana ka hiditra eo amin’ny tany sady handresy firenen-tsamihafa izay lehibe sy mahery noho ianao, ary hahazo tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,
malagasy
[Anatra ny amin'ny tsi-fanamarinan-tena] MIHAINOA, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an'i Jordana hiditra eo amin'ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,