Deuteronomy 9:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nomen’NY TOMPO ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny rantsan-tanan’Andriamanitra; ary teo amin’ireo vato ireo no nisy ireo teny rehetra nolazain’NY TOMPO taminareo tao an-tendrombohitra avy tao afovoan’ny afo nandritra ny andro nivoriana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nomen’i Iaveh ahy ny takelaka vato roa, nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra sy misy ny teny rehetra nolazain’i Iaveh taminareo tany an-tendrombohitra, tao afovoan’ny afo, tamin’ny andro nivoriana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nomen’ny TOMPO ahy ny takela-bato anankiroa, voasoratry ny rantsan-tanan’Andriamanitra ka nirakitra ny didy rehetra nolazain’ny TOMPO taminareo; avy tao anatin’ny afo no nilazany an’ireny tao an-tendrombohitra fony ianareo vory ho fivondronambe.
Malagasy Bible 1865
dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron'Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny andro nivoriana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia nomen’NY TOMPO ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny rantsan-tanan’Andriamanitra; ary teo amin’ireo vato ireo no nisy ireo teny rehetra nolazain’NY TOMPO taminareo tao an-tendrombohitra avy tao afovoan’ny afo nandritra ny andro nivoriana.
malagasy