Deuteronomy 9:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Miaingà ka midìna haingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao izay ratsy ny olonao izay noentinao nivoaka avy tany Ejipta; efa nalaky nivily niala tamin’ny lalana izay nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra voarendrika ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay dia hoy i Iaveh tamiko: Mitsangàna ka midìna faingana miala eto, fa mihasimba ny vahoakanao nentinao nivoaka avy tany Ejipta: vetivety foana dia niviliany ny lalana nasaiko nalehan’izy ireo; fa nanao sarin-javatra anidina ho azy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia hoy ny TOMPO tamiko: «Mialà teto ianao, ka ndeha midina faingana; fa nihasimba ilay vahoaka izay nafahanao avy tany Ejipta, nalaky nivily niala tamin’ny sori-dàlana efa nasaiko nizorany ka nanao sarin-tsampy ho azy tamin’ny metaly nempoina!»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midina faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin'ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Miaingà ka midìna haingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao izay ratsy ny olonao izay noentinao nivoaka avy tany Ejipta; efa nalaky nivily niala tamin’ny lalana izay nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra voarendrika ho azy.
malagasy