Deuteronomy 9:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nijery tokoa aho ka indro, efa nanota tamin’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka nanamboatra ombilahy kely voarendrika ho anareo; nalaky nivily niala tamin’ny lalana izay efa nasain’NY TOMPO halehanareo ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nijery aho, ka indreo ianareo fa efa nanota tamin’i Iaveh Andriamanitrareo; nanao zanak’omby anidina ho anareo ianareo, ary nivily haingana niala tamin’ny lalana nasain’i Iaveh nalehanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nijery aho ka indreo tokoa fa nanota tamin’ny TOMPO ianareo, satria nanao ombilahikely tamin’ny metaly nempoina mba ho sampinareo ary nalaky nivily niala tamin’ny sori-dàlana izay efa nasain’ny TOMPO nizoranareo.
Malagasy Bible 1865
Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin'ny lalana izay efa nasain'i Jehovah nalehanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nijery tokoa aho ka indro, efa nanota tamin’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka nanamboatra ombilahy kely voarendrika ho anareo; nalaky nivily niala tamin’ny lalana izay efa nasain’NY TOMPO halehanareo ianareo.
malagasy