Deuteronomy 9:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina na nisotro rano, noho ny fahotana vitanareo rehetra sy izay ratsy nataonareo teo imason’NY TOMPO ka nampahatezitra Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niankohoka teo anatrehan’i Iaveh tahaka ilay teo aloha aho, efapolo andro sy efapolo alina, tsy nihinan-kanina na nisotro rano noho ny fahotana rehetra nataonareo tamin’ny nanaovanareo izay ratsy eo imason’i Iaveh ka nahatezitra Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha indray aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ny fahotana rehetra vitanareo tamin’ny nanaovanareo izay ratsy teo imason’ny TOMPO ka nampahatezeranareo Azy no anton’izany.
Malagasy Bible 1865
Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina na nisotro rano, noho ny fahotana vitanareo rehetra sy izay ratsy nataonareo teo imason’NY TOMPO ka nampahatezitra Azy.
malagasy