Deuteronomy 9:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, dia ny fahatezeran’NY TOMPO taminareo saika handringanany anareo. Dia nihaino ahy indray NY TOMPO tamin’izay andro izay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria tsiravina aho nahita ity hatezerana amam-pahavinirana nirehetan’i Iaveh taminareo, ka efa saika hataony levona ianareo, saingy mbola nihaino ahy indray i Iaveh tamin’izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa natahotra aho nahita ny fahatezerana sy fahavinirana nirehetan’ny TOMPO taminareo ka saika handringanany anareo; saingy mbola nihaino ahy indray IZY tamin’izany andro izany.
Malagasy Bible 1865
Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran'i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin'izany andro izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, dia ny fahatezeran’NY TOMPO taminareo saika handringanany anareo. Dia nihaino ahy indray NY TOMPO tamin’izay andro izay.
malagasy
Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran'i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin'izany andro izany.