Deuteronomy 9:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo ka nodorako tamin’ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko ho madinika tahaka ny vovoka; ary nariako teo amin’ny renirano izay midina avy amin’ny tendrombohitra ny vovony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nalaiko ny fahotana nataonareo, dia ilay zanak’omby volamena ka nodorako tamin’ny afo, sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka, dia nariako tamin’ny ranon-driaka avy any an-tendrombohitra izany vovoka izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nalaiko ny fahotana vitanareo, dia ilay ombilahikely volamena, ka nodorako dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin’ny ranon-driaka izay midina avy any amin’ny tendrombohitra.
Malagasy Bible 1865
Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin'ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin'ny renirano izay midina avy amin'ny tendrombohitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo ka nodorako tamin’ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko ho madinika tahaka ny vovoka; ary nariako teo amin’ny renirano izay midina avy amin’ny tendrombohitra ny vovony.
malagasy