Deuteronomy 9:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fandrao izay monina amin’ny tany nitondranao anay niala avy tany hilaza hoe: Satria tsy hain’NY TOMPO ny hitondra azy ho any amin’ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy dia izany no nitondrany azy niala tany mba hahafaty azy atỳ an-tany efitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fandrao dia lazain’ny tany namoahanao anay hoe: Tsy azon’i Iaveh natao ny nampiditra azy ireo any amin’ny tany nampanantenainy azy; sady halany izy ireo ka izany no namoahany azy, mba hahafaty azy atỳ an’efitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fandrao izay monina any amin’ilay tany namoahanao anay hanao hoe: ‹Tsy hain’ny TOMPO ny nampiditra azy any amin’ny tany nampanantenainy azy; tsy tiany velively ireo, ka izany no namoahany azy mba hahafaty azy any an-taniefitra.›
Malagasy Bible 1865
fandrao izay monina amin'ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain'i Jehovah ny hitondra azy ho any amin'ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy atỳ an-efitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fandrao izay monina amin’ny tany nitondranao anay niala avy tany hilaza hoe: Satria tsy hain’NY TOMPO ny hitondra azy ho any amin’ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy dia izany no nitondrany azy niala tany mba hahafaty azy atỳ an-tany efitra.
malagasy
fandrao izay monina amin'ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain'i Jehovah ny hitondra azy ho any amin'ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy atỳ an-efitra.Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.