Deuteronomy 9:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa aoka ho fantatrao anio fa NY TOMPO Andriamanitrao no handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, dia Izy no handringana sy hampietry azy ireo eo anoloanao; koa handroaka sy handringana azy ireo haingana ianao, araka izay nolazain’NY TOMPO taminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa aoka ho fantatrao anio, fa i Iaveh Andriamanitrao, no hita eo alohanao, toy ny afo mandevona, Izy no handringana azy ireny, Izy no hampietry azy eo anoloanao, dia handroaka azy ianao sy handringana azy haingana, araka ny voalazan’i Iaveh taminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho tsapanareo anio fa ny TOMPO Andriamanitrareo no efa hiampita eo alohanareo tahaka ny afo mandevona, ka Izy mihitsy no handringana ireny firenena ireny sy hampietry azy eo anoloanareo; dia handroaka azy ianareo ka hamongotra azy faingana, araka izay nampanantenain’ny TOMPO taminareo.
Malagasy Bible 1865
Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain'i Jehovah taminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa aoka ho fantatrao anio fa NY TOMPO Andriamanitrao no handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, dia Izy no handringana sy hampietry azy ireo eo anoloanao; koa handroaka sy handringana azy ireo haingana ianao, araka izay nolazain’NY TOMPO taminao.
malagasy