Deuteronomy 9:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa voaroakan’NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao izy ireo dia aza miteny anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran’NY TOMPO ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no androahan’NY TOMPO azy ireo eo anoloanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa roahin’i Iaveh Andriamanitrao eo anoloanao ireny, aza manao anakam-po hoe: Noho ny fahamarinako no nitondran’i Iaveh ahy haka ity tany ity hananako azy; noho ny haratsian’ireo firenena ireo no handroahan’i Iaveh azy eo anoloanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa voatosiky ny TOMPO Andriamanitrareo teo anoloanareo ireny firenena ireny, dia aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: «Ny fahamarinanay no nampidiran’ny TOMPO anay haka ity tany ity ho fanananay!» Tsy izany, fa ny haratsiam-panahin’ireo no nandroahan’ny TOMPO azy teo anoloanareo.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa voaroak'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran'i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah azy eo anoloanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa voaroakan’NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao izy ireo dia aza miteny anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran’NY TOMPO ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no androahan’NY TOMPO azy ireo eo anoloanao.
malagasy