Deuteronomy 9:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tany Horeba koa aza dia nampahatezitra NY TOMPO ianareo ka tezitra taminareo Izy ary saika nandringana anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tany Horeba aza dia nihantsy ny fahatezeran’i Iaveh ianareo, ka tezitra taminareo i Iaveh, ka saika handringana anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tany Hôreba aza, dia nampahatezitra mafy ny TOMPO tokoa ianareo ka saiky haringany.
Malagasy Bible 1865
Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an'i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tany Horeba koa aza dia nampahatezitra NY TOMPO ianareo ka tezitra taminareo Izy ary saika nandringana anareo.
malagasy
Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an'i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.