Ecclesiastes 1:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy aho anakampo: Indro, nanangona fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; eny, nahita fahendrena sy fahalalana betsaka aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy aho anakampo: Indro efa nahazo ny fahendrena be sy miavosa aho, mihoatra noho izany rehetra talohako teto Jerosalema, ka nanam-pahendrena amam-pahaizana ampy be ny foko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy aho anakampoko: «Indro aho fa nahangom-pahendrena mihoatra noho ireo mpanjaka rehetra nodimbiasako teto Jerosalema.» Ary nanankarem-pahendrena amam-pahalalana momba ny fiainana aho.
Malagasy Bible 1865
Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy aho anakampo: Indro, nanangona fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; eny, nahita fahendrena sy fahalalana betsaka aho.
malagasy
Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.