Ecclesiastes 1:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niasa saina aho mba hahalala ny fahendrena sy hamantatra ny fahadalana; dia fantatro fa sambo-drivotra foana koa izany
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampiasa ny saiko aho, hahalala ny fahendrena, sy hahalala ny hadalana amam-pahatezerana, dia fantatro fa fanenjehan-drivotra ihany koa izany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy niroa fo aho hahay manavaka ny fahendrena sy ny hadalana, ary koa manavaka ny fahalalana sy ny fahaverezan-tsaina. Tsapako fa ny manenji-drivotra ihany koa izany.
Malagasy Bible 1865
Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niasa saina aho mba hahalala ny fahendrena sy hamantatra ny fahadalana; dia fantatro fa sambo-drivotra foana koa izany
malagasy
Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,[Na: Homan-drivotra]satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.