Ecclesiastes 10:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Atao ho fialam-boly ny fisakafoanana; ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no mamaha ny olana rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misakafo ny olona hiaranana amin’ny fahafinaretana; ny divay maharavoravo ny fiainana, ary ny vola, ahazoana ny zavatra rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manao sakafo ireo lehibe mba hikoranany; ny divay kosa maharavoravo ny ainy; ary ny vola no hahazoany manao izany rehetra izany.
Malagasy Bible 1865
Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Atao ho fialam-boly ny fisakafoanana; ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no mamaha ny olana rehetra.
malagasy
Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.Aza manozona ny mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin'ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.