Ecclesiastes 10:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza manozona ny mpanjaka na dia amin’ny eritreritrao aza ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin’ny efitrano fandrianao aza; fa na dia ny voromanidina aza ange ka hitondra ny feo ary na dia ny manana elatra aza dia hanambara ny teny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza manozona ny mpanjaka, na ao an-tsainao aza; aza manozona ny manam-pahefana, na eo an’efitrano fandrianao aza; fa ny voromanidina hitondra ny feonao; ary ny biby manana elatra hanely ny teninao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza manozona ny mpanjaka, na dia anakampo ihany aza; tahaka izany koa aza manozona ny olo-manankaja na dia ao an’efitrano fandrianao aza. Fa mety hoentin’ny vorona ny feonao ary hambaran’ny manana elatra ny teninao.
Malagasy Bible 1865
Aza manozona ny mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin'ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza manozona ny mpanjaka na dia amin’ny eritreritrao aza ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin’ny efitrano fandrianao aza; fa na dia ny voromanidina aza ange ka hitondra ny feo ary na dia ny manana elatra aza dia hanambara ny teny.
malagasy