Ecclesiastes 11:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, koa mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa hoentin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zatovo, mifalia dieny mbola tanora ianao; aoka hahazo firavoravoana amin’ny fonao ianao amin’ny andron’ny fahatanoranao! Mandehana any amin’izay lalan’ny fonao, sy araka izay fijerin’ny masonao. Fantaro anefa fa izany rehetra izany dia hiantsoan’Andriamanitra anao hotsaraina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mifalia, ry zatovo, amin’izao fahatanoranao izao; eny, miravoravoa mandritra izany fotoanandro izany. Ataovy izay mahadiavolana ny fonao sy izay mahafinaritra ny masonao. Nefa aoka ho fantatrao fa amin’izany rehetra izany dia hotsarain’Andriamanitra ianao.
Malagasy Bible 1865
Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina ianao amin'izany rehetra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, koa mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa hoentin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany.
malagasy
[Anatra ho an'ny tanora fanahy mba hanampoizany ny hihavian'ny fahanterana sy ny fahafatesana] Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina ianao amin'izany rehetra izany.Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.