Ecclesiastes 12:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe rehefa mihamalemy ny feon’ny fikosoham-bary; ho taitra ny olona raha vao maneno ny voronkely ary tsy hahaloa-peo ny zazavavy mpihira rehetra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ikatonan’ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, naha mihamalemy ny feon’ny vato fikosoham-bary, izay itsanganan’ny olona mandre ny feon’ny voronkely, sy ahalasanan’ny ankizy vavy mpihira rehetra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny androm-pahosanao koa dia hikombona ny molotrao satria hihareraka ny vodivazanao mihomokomoka ao anaty vavanao; ary ho donto ny sofinao, ka tsy ho tandrinao ny fikalom-boron-kely ary halefaka aminao avokoa ny feon’ny mpihira.
Malagasy Bible 1865
ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, rehefa malemy ny feon'ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voronkely, ary halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe rehefa mihamalemy ny feon’ny fikosoham-bary; ho taitra ny olona raha vao maneno ny voronkely ary tsy hahaloa-peo ny zazavavy mpihira rehetra;
malagasy
ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, rehefa malemy ny feon'ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voronkely, ary halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra;[ Na: ka tsy mafy noho ny an'ny voron-kely aza ny feony]