Ecclesiastes 12:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hatahorana ny toerana avo, fa toa misy zava-mahatahotra eny an-dalana; hamony ny hazo amanda, ny valala dia ho tonga mavesatra, ny voan-tsimperifery tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin’ny tranony mandrakizay ny olona ary ireo mpitomany dia mandehandeha eny an-dalambe;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
amin’izay atahoran’ny olona ny eny amin’ny fitoerana avo, izay ivadihan’ny olona fo eny an-dalambe, amin’izay amonian’ny amandie, sy ahatongavan’ny valala ho mavesatra, ary tsy hisy asany intsony ny kapra, fa miainga ho any amin’ny fonenany mandrakizay ny olona, ary mitety ny arabe ny mpitomany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay koa dia hatahotra ny hiani-piakarana ianao ary ho be fanahiana rehefa mamindra; ny volon-dohanao hihafotsy toy ny voninkazo mamony fotsy; tsy ho mailaka fihetsika toy ny valala intsony ianao; ary tsy hahitanao tsirony intsony ny voan-tsiperifery. Isika olombelona tsy maintsy mankany amin’ny fonenana mandrakizay, ary ny mpisaona antsika kosa efa mihaodihaody eny an-dalambe.
Malagasy Bible 1865
ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin'ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hatahorana ny toerana avo, fa toa misy zava-mahatahotra eny an-dalana; hamony ny hazo amanda, ny valala dia ho tonga mavesatra, ny voan-tsimperifery tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin’ny tranony mandrakizay ny olona ary ireo mpitomany dia mandehandeha eny an-dalambe;
malagasy
ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin'ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe [Na: hitsaha-panirian-javatra izy]