Ecclesiastes 12:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, tsy mbola potika ny siny eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka fantsakana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dieny mbola tsy tapaka ny kofehy volafotsy, mbola tsy vaky ny tamaboa volamena, mbola tsy vaky ny siny eo an-doharano, mbola tsy tapaka ny bolaky ka latsaka eo an-davaka famorian-drano;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia ho tapaka ny kofehim-bolafotsin’ny fiainana; ho montsamontsana ny tavoara volamena; eny am-pantsakana no ho vaky ny siny; ho latsaka an-davaka famorian-drano ny fanovozana bolaky.
Malagasy Bible 1865
dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, tsy mbola potika ny siny eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka fantsakana.
malagasy