Ecclesiastes 12:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izao koa, satria hendry i Mpitoriteny dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra tenim-pahendrena maro izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Afa-tsy ny maha olon-kendry ny Mpitory teny, dia nampianatra ny fahaizana ny vahoaka koa izy; nandinika sy nandanjalanja izy, ary nandahatra oha-teny maro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho fanampin’izany, tsy nitsahatra nampianatra ny olona ny zavatra fantany i Kôheleta satria hendry izy. Namorona ohabolana maro izy rehefa avy nandinika sy nandanjalanja.
Malagasy Bible 1865
Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izao koa, satria hendry i Mpitoriteny dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra tenim-pahendrena maro izy.
malagasy
[Teny farany] Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy.