Ecclesiastes 2:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy aho anakampo: Aoka ianao mba hozahako toetra amin’ny fifaliana ka hahita ny atao hoe fahafinaretana; kanjo indro, zava-poana koa izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy aho tamin’ny foko: Andeha àry hozahako toetra amin’ny hafaliana ianao, ka andramo ny fahafinaretana. Kanjo indro, zava-poana ihany koa izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary dia hoy aho anakampoko: «Andeha hojerena ny lanjan’ny fifaliana eo amin’ny fiainana, ary hotadiavina ny atao hoe fahasambarana.» Kanjo indro fa zava-poana koa izany.
Malagasy Bible 1865
Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy aho anakampo: Aoka ianao mba hozahako toetra amin’ny fifaliana ka hahita ny atao hoe fahafinaretana; kanjo indro, zava-poana koa izany.
malagasy
[Ny maha-zava-poana ny fahafinaretana sy ny voninahitra momba izao fiainana izao, na dia omban'ny fahendrena aza] Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.

Recommended Reading