Ecclesiastes 2:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa misy olona izay misasatra amin’ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahakingana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin’izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Izany koa dia zava-poana sy fatiantoka lehibe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa olona nanampatra, tamin’ny asany, fahendrena amam-pahalalana sy fahakingana, ka dia mamela ny vokatry ny asany ho anjaran’ny olona tsy nisasatra tamin’izany akory: izany indray koa dia zava-poana sy loza lehibe!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Misy manko olona izay nisasatra niasa tamim-pahakingana sy tamim-pahaizana ary tamim-pahombiazana, kanefa dia olona izay tsy nisasatra tamin’izany akory ny no tsy maintsy hamelany azy ho lova. Zava-poana koa izany, ary tsy rariny goavana.
Malagasy Bible 1865
Fa misy olona izay misasatra amin'ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin'izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa misy olona izay misasatra amin’ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahakingana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin’izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Izany koa dia zava-poana sy fatiantoka lehibe.
malagasy