Ecclesiastes 2:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny manao izay hampahafinaritra ny tenany amin’izay nisasarany. Izany koa dia hitako fa avy amin’ny tanan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra noho ny mihinana sy misotro, ary ny mampanarana ny fanahiny amin’ny fiadanana, eo amin’ny fanaovana ny asany. Izany indray koa efa hitako fa avy amin’ny tanan’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny hany fahasambaran’ny olona dia ny mihinana sy ny misotro ary ny mifaly amin’ny valin-kasasarany. Tsapako fa avy amin’Andriamanitra izany fahasambarana izany;
Malagasy Bible 1865
Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny manao izay hampahafinaritra ny tenany amin’izay nisasarany. Izany koa dia hitako fa avy amin’ny tanan’Andriamanitra.
malagasy
Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra [Na: Tsy misy tsara amin'ny olona. Ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenanay amin'ny fisasaranay dia hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra koa]