Ecclesiastes 2:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny olona izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa dia ampiasainy hanangona sy hamory mba hisy homeny ho an’izay ankasitrahan’Andriamanitra. Izany koa dia zava-poana sy sambo-drivotra avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny olona izay tsara eo imasony dia omeny ny fahendrena amam-pahaizana ary fifaliana. Ny omeny ny mpanota kosa, dia ny mikarakara ny famoriana amam-panavosàna zavatra mba hisy omeny an’izay olona tsara eo imason’Andriamanitra. Ary zava-poana ihany koa izany sady fanenjehan-drivotra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, izay olona sitrak’Andriamanitra no omeny fahakingana sy ny fahaizana ary ny fifaliana. Fa izay mpanota kosa dia asainy manangona sy mamory mba hisy homeny an’izay sitrak’Andriamanitra. Mbola zava-poana sy manenji-drivotra koa izany.
Malagasy Bible 1865
Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny olona izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa dia ampiasainy hanangona sy hamory mba hisy homeny ho an’izay ankasitrahan’Andriamanitra. Izany koa dia zava-poana sy sambo-drivotra avokoa.
malagasy
Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]