Ecclesiastes 2:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisaina tato am-poko hamalifaly ny tenako tamin’ny divay aho, nefa ninia mbola hitondra izany amin’ny fahendrena ihany aho; nisaina hitana ny hadalana koa aho, mandra-pahitako izay tsara ho an’ny zanak’olombelona ka tokony hataony etỳ ambanin’ny lanitra amin’ny andro vitsy iainany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny hanarana ny nofoko amin’ny divay no nimasoako tao am-poko, nefa amin’izay dia mbola hotarihin’ny foko amim-pahendrena ihany aho; ary hiraikitra amin’ny hadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an’ny zanak’olombelona, hataony amin’ny andro iainany atỳ ambanin’ny lanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tapa-kevitra aho hamalifaly tena amin’ny divay ka hisary adala, nefa dia mbola hanam-pahendrena ho tompon’ny tenako ihany. Mba tiako ho fantatra manko izay tsara tokony hataon’ny olona mandritra ny androm-piainany fohy etỳ ambonin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin'ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin'ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin'ny lanitra amin'ny andro vitsy iainany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisaina tato am-poko hamalifaly ny tenako tamin’ny divay aho, nefa ninia mbola hitondra izany amin’ny fahendrena ihany aho; nisaina hitana ny hadalana koa aho, mandra-pahitako izay tsara ho an’ny zanak’olombelona ka tokony hataony etỳ ambanin’ny lanitra amin’ny andro vitsy iainany.
malagasy