Ecclesiastes 2:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nahazo mpanompolahy sy mpanompovavy maro aho, mbamin’ireo zanany teraka tato an-trano; nanana omby sy ondry aman’osy betsaka koa aho, mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nividy ankizy lahy aman’ankizy vavy aho, ary nanana ny zanany teraka tao an-trano ihany; nanana andian’ondry aman’omby koa aho, mihoatra noho ireo rehetra izay talohako teto Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampiditra mpiasa lehilahy sy vehivavy aho, ho fanampin’ny mpanompo efa nananako. Nanana omby sy ondry aman’osy betsaka noho ireo rehetra nodimbiasako teto Jerosalema aho,
Malagasy Bible 1865
nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman'osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nahazo mpanompolahy sy mpanompovavy maro aho, mbamin’ireo zanany teraka tato an-trano; nanana omby sy ondry aman’osy betsaka koa aho, mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
malagasy
nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman'osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.