Ecclesiastes 3:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao koa no hitako tetỳ ambanin’ny masoandro: Eo amin’ny toeran’ny fitsarana dia ao ny haratsiam-panahy; ary eo amin’ny toeran’ny fahamarinana dia ao ihany koa ny ratsy fanahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao koa no hitako, tatỳ ambany masoandro: Ny fiketraham-pitsarana araka ny rariny, dia ipetrahan’ny faharatsiana, ary ho solon’ny fahamarinana dia ao ny tsy fahamarinana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao koa no zavatra hitako teto ambonin’ny tany: ny toerana tokony hampiharana ny rariny sy ny fahamarinana no anjakan’ny faharatsiana.
Malagasy Bible 1865
Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro: ny fitoeran'ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao koa no hitako tetỳ ambanin’ny masoandro: Eo amin’ny toeran’ny fitsarana dia ao ny haratsiam-panahy; ary eo amin’ny toeran’ny fahamarinana dia ao ihany koa ny ratsy fanahy.
malagasy
Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro: ny fitoeran'ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.