Ecclesiastes 3:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy aho anakampo, ny amin’ny zanak’olombelona: Ny mba hizahan’Andriamanitra toetra azy izany ka ho hitany fa raha ny tenany ihany dia biby izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy aho anakampoko: Ny amin’ny zanak’olombelona: Tonga izany, mba hizahan’Andriamanitra toetra azy ireo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny amin’ny olombelona dia nihevitra aho fa ampandalovin’Andriamanitra fitsapana izy mba hahitany fa raha ny tenany ihany, dia tsy mifankaiza amin’ny biby izy akory.
Malagasy Bible 1865
Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy aho anakampo, ny amin’ny zanak’olombelona: Ny mba hizahan’Andriamanitra toetra azy izany ka ho hitany fa raha ny tenany ihany dia biby izy.
malagasy
Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.[Na: hanadiovan'Andriamanitra]