Ecclesiastes 3:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza no mahalala raha miakatra ho any ambony ny fanahin’ny olombelona, ary raha midina any ambany, amin’ny tany, ny fanahin’ny biby?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza moa no mahalala ny fofon’ain’ny zanak’olombelona miakatra any ambony, ary ny fofon’ain’ny biby, midina any ambany mankamin’ny tany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy misy afaka manamarina fa ny fofonain’ny olona dia miakatra any ambony ary ny an’ny biby kosa dia midina any ambany, ao anaty tany.
Malagasy Bible 1865
Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza no mahalala raha miakatra ho any ambony ny fanahin’ny olombelona, ary raha midina any ambany, amin’ny tany, ny fanahin’ny biby?
malagasy
Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia? [Na: Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona izay miakatra any ambony, na ny fanahin'ny biby izay midina amin'ny tany?]Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?