Ecclesiastes 3:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ny olona amin’ny asany satria izany no anjarany; fa iza no hitondra azy hiverina mba hahita izay ho avy any aorianany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra ny mifaly ao amin’ny asany; fa izany no anjarany. Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsapako fa tsy misy tsara ho an’ny olombelona afa-tsy ny mifaly amin’ny vokatry ny asany. Tokony hionona amin’izany anjarany izany izy, satria tsy misy hampahita azy izay hitranga any aoriany.
Malagasy Bible 1865
Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ny olona amin’ny asany satria izany no anjarany; fa iza no hitondra azy hiverina mba hahita izay ho avy any aorianany?
malagasy
Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?