Ecclesiastes 4:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro ka indro ny ranomason’ny ampahorina nefa tsy misy izay mampionona azy; hery no eo anilan’ny mpampahory azy nefa tsy misy izay mampionona azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitodika aho dia nahita ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambany masoandro: ao ny ampahoriana, vonton-dranomaso, ary tsy misy olona manala alahelo azy. Iharan’ny fanaovana an-kerin’ireo mpampahory azy, ary tsy misy olona manala alahelo azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitako koa ny tsy rariny rehetra atao eto ambonin’ny tany. Miantsoantso ireo voan’ny tsindry hazo lena, fa tsy mba misy afa-manampy azy. Eo am-pelatanan’ny mpamoritra manko ny fahefana, hany ka tsy mba misy afa-manampy azy.
Malagasy Bible 1865
Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro; ary indro ny ranomason'ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon'ny tanan'ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro ka indro ny ranomason’ny ampahorina nefa tsy misy izay mampionona azy; hery no eo anilan’ny mpampahory azy nefa tsy misy izay mampionona azy.
malagasy
[Ny manjo ny olona noho ny fampahorian'ny sasany azy, sy ny lolom-po, sy ny fitoerany irery ary ny ataon'ny mpitondra azy] Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro; ary indro ny ranomason'ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon'ny tanan'ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.