Ecclesiastes 4:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hita isa ny fitambaran’ny vahoaka, dia izay rehetra anjakany; nefa izay ho avy any aoriana dia tsy mba hahita fifaliana aminy. Izany koa dia zava-poana sy sambo-drivotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nisy fahataperana izany vahoaka be rehetra izany, dia ireo rehetra ireo izay notarihiny lalana avy eo aloha. Nefa ny taranaka tsy hifaly aminy akory. Zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahatarika olona maro izy. Nefa ireo taranaka atỳ aoriana dia tsy ho faly aminy, satria mbola zava-poana sy manenji-drivotra koa izany.
Malagasy Bible 1865
Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany. Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hita isa ny fitambaran’ny vahoaka, dia izay rehetra anjakany; nefa izay ho avy any aoriana dia tsy mba hahita fifaliana aminy. Izany koa dia zava-poana sy sambo-drivotra.
malagasy
Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.[Na: Homan-drivotra][Ny mety hatao amin'Andriamanitra na amin'ny fivavahana na amin'ny voady] Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy izy.