Ecclesiastes 4:17 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tandremo ny tongotrao raha mankao amin’ny tranon’Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran’ny adala fanatitra satria tsy fantatr’ireny akory fa ratsy ny ataony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tandremo ny tongotrao raha mankany an-tranon’Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny manatitra sorona, araka ny fanaon’ny adala; satria entin’ny fahalalany hanao ratsy izy ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza mankao an-tranon’Andriamanitra tsy amim-pieritreretana, fa mandehana kosa mba hivonon-kihaino. Aleo izay noho ny manolotra sorona toy ny fanaon’ny adala izay tsy mahafantatra akory fa ratsy no ataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tandremo ny tongotrao raha mankao amin’ny tranon’Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran’ny adala fanatitra satria tsy fantatr’ireny akory fa ratsy ny ataony.
malagasy
[Ny mety hatao amin'Andriamanitra na amin'ny fivavahana na amin'ny voady] Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy izy.