Ecclesiastes 4:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Misy olona mitoetra irery ka tsy mana-namana, tsy manan-janaka, tsy manana rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany samihafa ary ny masony dia tsy afa-po amin’ny harena ka ilazany hoe: Ho an’iza no isasarako sy tsy ananako fahasambarana? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misy olona mitoetra irery, ka tsy misy anankiray hafa miaraka aminy, tsy zanaka, tsy rahalahy, kanefa aza lava tsy misy farany ny azy, ary tsy afa-dian-karena ny masony: Ho an’iza àry ity iasako, sy tsy ampananako fiadanana ny fanahiko? Zava-poana koa izany, ary lahasa ratsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
indro lehilahy iray mitoetra irery tokoa tsisy namana na rahalahy na zanaka ary nisasatra mafy. Naniry hanan-karena betsaka izy ka nanao anakampo hoe: «Ho an’iza no isasarako sy tsy ahatsiarovako fahasambarana?» Zava-poana sy raharaha ratsy koa izany.
Malagasy Bible 1865
Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin'ny harena, hanaovany hoe: Ho an'iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Misy olona mitoetra irery ka tsy mana-namana, tsy manan-janaka, tsy manana rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany samihafa ary ny masony dia tsy afa-po amin’ny harena ka ilazany hoe: Ho an’iza no isasarako sy tsy ananako fahasambarana? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
malagasy