Ecclesiastes 5:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mamy ny torimason’ny mpiasa na homan-kely izy na homam-be; fa ny haben’ny fananan’ny mpanankarena kosa no tsy ahitany tory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mamy ny torimason’ny mpiasa, na kely na be no hanin-kohaniny; fa tsy ahitan’ny mpanankarena tory kosa ny fahavokisany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mahita tory tsara ny mpiasa na kely na be ny harapany. Fa tsy mba mahita tory kosa ny mpanankarena vokatry ny hamaroan’ny fananany.
Malagasy Bible 1865
Mamy ny torimason'ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben'ny ananan 'ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mamy ny torimason’ny mpiasa na homan-kely izy na homam-be; fa ny haben’ny fananan’ny mpanankarena kosa no tsy ahitany tory.
malagasy
Mamy ny torimason'ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben'ny ananan'ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.[Na: ny fahavokisan']