Ecclesiastes 5:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izao koa, ho an’ny olona rehetra izay omen’Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany ary hifaliany amin’ny fisasarany, dia fanomezan’Andriamanitra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fanampin’izany koa, ny olona rehetra mandray vola aman-karena tamin’Andriamanitra hahazoany mihinana sy maka izay anjarany amin’izany ary mifaly amin’ny asany: dia fanomezan’Andriamanitra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa misy olona omen’Andriamanitra vola aman-karena sady avelany hihinana sy haka ny anjarany amin’izany ary koa hifaly amin’ny vokatry ny asany, dia fanomezan’Andriamanitra izany.
Malagasy Bible 1865
Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izao koa, ho an’ny olona rehetra izay omen’Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany ary hifaliany amin’ny fisasarany, dia fanomezan’Andriamanitra izany.
malagasy
Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy, satria ny fahafinaretan'ny fony no avalin'Andriamanitra azy.