Ecclesiastes 5:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa amin’ny haben’ny nofinofy dia misy zava-poana, ary toy izany koa ny haben’ny teny. Koa matahora an’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa toy ny isian’ny zava-poana amin’ny hamaroan-draharaha, no isian’izany koa, amin’ny teny maro; ka matahora an’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Arakaraka ny mahabe ny teny no mahabe ny nofy sy ny zava-poana. Koa Andriamanitra no hajao.
Malagasy Bible 1865
Fa amin'ny haben'ny nofy dia misy zava-poana; ary toy izany koa ny haben'ny teny, fa Andriamanitra no atahory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa amin’ny haben’ny nofinofy dia misy zava-poana, ary toy izany koa ny haben’ny teny. Koa matahora an’Andriamanitra.
malagasy
Fa amin'ny haben'ny nofy dia misy zava-poana; ary toy izany koa ny haben'ny teny, fa Andriamanitra no atahory.