Ecclesiastes 5:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha hitanao any amin’ny fari-piadidiana iray ny fampahoriana ny mahantra mbamin’ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny dia aza gaga amin’izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy tany hahitanao fampahoriana ny mahantra, fanitsakitsahana ny rariny amam-pahamarinana: aza sanganehana foana amin’izany, fa ny olona ambony tandreman’ny ambony kokoa, ary mbola misy ambony kokoa indray aza mitandrina azy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza atao ho mahagaga ny fahitana ny mahantra ampijalîna na ny rariny sy ny fahamarinana voahitsakitsaka eto amin’ny tany. Fa ny olona anankiray ambony dia misy miaro azy ao amboniny ao, ary izy roa tonta ireo aza dia mbola misy ambony kokoa miaro azy.
Malagasy Bible 1865
Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin'ny tany, dia aza gaga amin'izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha hitanao any amin’ny fari-piadidiana iray ny fampahoriana ny mahantra mbamin’ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny dia aza gaga amin’izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
malagasy
[Ny mbola hitsarana ny mpampahory sy ny mpamadika ny rariny ary ny maha-zava-poana ny harena sy ny tokony hifaliana amin'izay omen'Andriamanitra] Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin'ny tany, dia aza gaga amin'izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.