Ecclesiastes 6:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin’ny fiainana, amin’ny andro mandalo foana izay laniny toy ny fihelin’ny aloka? Iza no hahalaza amin’ny olona izay zavatra ho avy any aorianany etỳ ambanin’ny masoandro?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria, iza tokoa moa no mahalala, izay soa ho an’ny olona amin’ity fiainana ity; dia amin’izao andro foana iainany izao, izay andalovany toy ny fihelin’ny aloka? Ary zovy no mahalaza amin’ny olona, izay zavatra ho avy any aoriana, atỳ ambany masoandro?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mamakivaky ny fiainana toy ny fihelin’ny aloka ny olona. Iza no mahafantatra izay mahasoa ny olona amin’izao fiainana izao mandritra ny fotoana fohy iainany? Tsy misy hahalaza amin’ny olona izay zavatra hitranga eto ambonin’ny tany aorian’ny fahalasanany.
Malagasy Bible 1865
Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin'izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay laniny toy ny fihelin'ny aloka? Fa iza no hahalaza amin'ny olona izay zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin'ny masoandro?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin’ny fiainana, amin’ny andro mandalo foana izay laniny toy ny fihelin’ny aloka? Iza no hahalaza amin’ny olona izay zavatra ho avy any aorianany etỳ ambanin’ny masoandro?
malagasy