Ecclesiastes 6:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia olona izay omen’Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra ka tsy misy tsy ananany izay rehetra niriny, nefa tsy omen’Andriamanitra fahefana hihinana amin’izany izy fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy toe-javatra mampahory koa izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misy olona nomen’Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany, rehefa mety ho zavatra irin’ny fanahiny; nefa tsy omen’Andriamanitra fahefana hiarana amin’izany izy, fa olon-kafa no miarana amin’izany. Zava-poana amam-pahoriana mavesatra koa izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia olona omen’Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra ka manana izay rehetra iriny; kanefa tsy avelan’Andriamanitra hihinana amin’ny fananany izy fa olon-kafa no mitavana izany. Zava-poana sy zava-dratsy mampahory koa izany.
Malagasy Bible 1865
dia olona izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na inona na inona iriny, nefa tsy omen'Andriamanitra fahefana hihinana amin'izany izy, fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy ratsy mahory koa izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia olona izay omen’Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra ka tsy misy tsy ananany izay rehetra niriny, nefa tsy omen’Andriamanitra fahefana hihinana amin’izany izy fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy toe-javatra mampahory koa izany.
malagasy