Ecclesiastes 6:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia misy miteraka zato aza sady tratra antitra ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa izy sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy aho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na dia manan-janaka zato lahy aza ity olona anankiray sady ela velona taona maro izy, ary nihamaro ny andron’ny taonany, raha tsy voky hasambarana ny fanahiny, ary tsy nahazo levenana akory ny tenany, dia sambatra noho izy, ny tsy tonga volana, hoy aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Afaka miteraka zazalahy zato sy miaina an-taona maro ny olona iray. Saingy, na dia miaina an-taona maro aza izy, kanefa tsy mba voky fahasambarana sy tsy mahazo levenana, dia hoy aho hoe: ny zazarano aza sambatra kokoa noho izy.
Malagasy Bible 1865
Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia misy miteraka zato aza sady tratra antitra ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa izy sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy aho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.
malagasy