Ecclesiastes 7:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro mahafaly dia mifalia ary amin’ny andro mahory dia mieritrereta; fa Andriamanitra no nanao ny iray, toy ny nanaovany ny iray koa, mba tsy hahitan’ny olombelona izay ho avy any aorianany akory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mifalia, amin’ny andron’ny fahasambarana, ary mieritrereta, amin’ny andron’ny fahoriana: fa samy nataon’Andriamanitra ireo, mba tsy hahafantaran’ny olona izay tsy maintsy hihatra aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny androm-pahasambarana dia aoka ho sambatra; fa amin’ny androm-pahoriana kosa dia mieritrereta. Samy nataon’Andriamanitra na ny fahasambarana na ny fahoriana mba tsy hahafantaran’ny olona akory izay hitranga amin’ny hoavy.
Malagasy Bible 1865
Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.