Ecclesiastes 7:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitodika aho ka nampiasaiko ny saiko mba hahalala, handinika ary hitady fahendrena sy izay anton’ny zavatra rehetra ka hahafantatra ny haratsiam-panahy ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nikezaka aho, ary ny foko nitady, hahalala, hamototra sy handalina ny fahendrena aman’anton-javatra, ary hitako fa fahaverezan-tsaina ny faharatsiana, ary rediredy foana ny fitondran-tena adala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa dia nifantoka tamin’ny fianarana sy ny fikarohana aho. Notadiaviko ny atao hoe fahendrena sy ny antom-pisian-javatra. Nofantariko fa fahadalana, eny, fahadalana maha very saina ny haratsiam-panahy.
Malagasy Bible 1865
Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;