Ecclesiastes 7:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, rehefa izy no fandrika ary harato ny fony, sady famatorana ny tanany; nefa izay olona ankasitrahan’Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy fa ny mpanota ihany no ho azony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay fandrika sy harato ny fony; ary famatorana ny tanany; izay matahotra an’Andriamanitra afa-mandositra azy; fa ny mpanota kosa hosingorany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay toy ny fandrika. Ny fitiavany dia toy ny harato ary ny sandriny toy ny fatorana. Izay lehilahy sitrak’Andriamanitra dia afa-mandositra azy, fa ny mpanota kosa: ho azony.
Malagasy Bible 1865
ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan'Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, rehefa izy no fandrika ary harato ny fony, sady famatorana ny tanany; nefa izay olona ankasitrahan’Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy fa ny mpanota ihany no ho azony.
malagasy